1 Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;

2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,

3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tnana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo

4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.

5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any"?(Sal. 2. 7.) Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2Sam. 7. 14.)

6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).

7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal. 104. 4).

8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra , dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;

9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45. 6, 7).

10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah , tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tnanao ny lanitra;

11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,

12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal. 102. 25-27).

13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tnako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)

14 Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena?
<PIXTEL_MMI_EBOOK_2005>3                                                           </PIXTEL_MMI_EBOOK_2005>